Miova ny fomba fijerin’ny tanora sasany ankehitriny ary mihavery sy potika ny soatoavina Malagasy, raha ity trangam-piaraha-monina hafa kely misy any amin’ny Distrikan’i Toliara II ity. Lova tsy mifindra hono e! Mpianadahy iray tampo izay kamboty ray sy reny, monina amina tanàna kely iray any amin’ny kaominina ambanivohitry Andranovory no lasa mpivady, ary efa roa taona latsaka kely no niray fandriana hatrany isaky ny matory. 22 taona razazalahy amin’izao, raha vao 14 taona ity zandriny faravavy, izay voalaza fa mitondra vohoka telo volana amin’izao. Dimy mianadahy ireto mpianadahy mifamototra ireto no iray tampo. Io no fantatra nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ny fidinana tany an-toerana.
Roahina eo an-tanàna. Ny ankamaroan’ny mponina nanontaniana dia samy nilaza fa manosihosy ny fomban-drazana misy sy ny hasin’ny tanàna ny fitiavana hafa kelin’ireto mpianadahy nifanambady, satria tranga tsy fahita aty aminay ny toy izao. Raha ny filazan’ny ray aman-drenibe iray eo an-tanàna dia efa norarana tsy hiray izy mianandahy ireto. “ Efa niakatra teny amin’ny fokontany ihany koa ity raharaha mamoafady ity, nefa tsy voasakana ny fiarahan’izy roa “, hoy ingahibe nanohy ny teniny. Vahaolana hitan’ny mponina eo an-tanàna izay milaza fa handray ny andraikiny handroaka an’ireto mpianadahy mifamototra, raha ny fanazavana azo hatrany.
Eric Manitrisa
Andranovory Toliara : Mpianadahy iray tampo mifanambady, mitondra vohoka telo volana razazavavy
Articles qui pourraient vous intéresser