Lehilahy iray no fantatra fa naratra mafy sy mbola tsaboana eny amin’ny toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao, noho ny tsindron’antsy mahatsiravina nahazo azy, teny Andravoahangy, ny zoma hariva lasa teo. Araka ny vaovao azo dia noho ny fifandirana teo amin’ny mpivarotra sy mpividy no nahatonga izao famonoana izao. Nitaky zavatra tsy nahazo mantsy ny ankilany ka nifampiandry kendy tohana avy eo. Tamin’izany indrindra no nifanena tany amin’ny mangingina ireo olona ireo ka avy hatrany dia tsindron’antsy teny amin’ny kibon’ity naratra ity no niafaràny. Naratra mafy vokatr’izany ity lehilahy iray ity raha nitsoaka nandositra kosa ilay mpamono, raha ny fanazavana azo hatrany. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly ity lehilahy ity ary somary ratsiratsy ihany ny toeram-pahasalamany, raha ny fantatra hatrany.
Nangonin’i m.L