Sahotaka tanteraka ny tetsy amin’ny fiantsonanan’ny taxibe iray tetsy Andravoahangy ambany omaly hariva. Lehilahy iray, niakatra tamina taxibe mampitohy an’Amboditsiry sy Tanjombato iny, no voalaza fa namoaka antsy lava lela tany aminy. Tsy fantatra hateto hoe izay tena antony nanaovana izany fihetsika izany. Ny tao an-tsain’ny rehetra, indrindra fa amin’izao mampirongatra ny resaka fanendahana sy fanafihana izao dia hoe saika hanendaka ny tao anaty taxibe ranamana. Nikoropaka araka izany ireo mpandeha rehetra. Tao kosa ireo niray hina, niezaka nifehy ilay lehilahy ary nisambotra azy. Tao anatin’ny indray mipi-maso anefa ny fialàn’izany tovolahy izany ireo olona nisambotra azy. Tsy tana mantsy fa poa toa izay no namaky ny fitaratr’ilay taxi-be, teo amin’ilay fitaratra lehibe indrindra voatokana ho « fivoahana raha misy loza », izay tsy maintsy hananan’ireo mpitatitra no nivoahany malaky. Nitsambikinany ny fiara ary nanjavonany tao anatin’ireo olona maro nitangorona teny an-toerana. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana dia toa hoe voasakan’ny mpiandry tsena, teo Andravoahangy ity farany, saingy tamin’ny fomba tsy fantatra fa dia tafaporitsaka indray ary nanjavona tanteraka tanaty tsena tany. Ilay fiara mpitatitra vaky fitaratra kosa, tavela teo ary niandry ireo tompon’andraikitra.
Tsy vao izao tokoa no mahavita miakatra anaty fiara mpitatitra ireo tontakely manao ny asa ratsiny fa efa ela. Ny sasany aza dia mahavita manendaka ny iray taxibe. Ary ny mampalahelo, hoy hatrany ny olona fa dia misy ny sasantsany amin’ireo mpamily sy ny mpanampin’ny mpamilin’ireny fiara mpitatitra ireny no miray tsikombakomba amin’ireo mpanendaka na mahafantatra tsara azy ireo saingy tsy sahy miteny ireo mpandeha ao anatin’ny fiara.
m.L