Fiara tsy mahota-dalana iray no notafihana efa-dahy nirongo basy, ny alarobia hariva lasa teo, teo Andravoahangy ambony. Tsy nisy zavatra lasan’ireo olon-dratsy anefa tamin’izany. Ny mifanohitra tamin’izay aza no nisy, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, satria dia niditra tao anatin’ilay fiara ireo olon-dratsy ary nitondra izany nitsoaka, niaraka tamin’ilay mpamily. Marihina fa lalana zotra tokana, miakatra mihazo ny fiangonana Andravoanhangy fivavahana iny, no nisehoan’ity trangam-panafihana, toa miaro fangalana an-keriny ity. Tsy dia nisy fitohanana tamin’io fotoana io, efa somary maizina rahateo ny andro, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any. Raha ny nambaran’ireo manodidina dia efa nisy sasany tamin’ireo olon-dratsy no niandry fotsiny izay fahatongavan’ity fiara ity, ary nijoro teo amin’ny sisin-dalana. Tafajonana ilay fiara tamin’io fotoana io, izay marihina fa vehivavy no nitondra azy, satria nisy fiara niloko mena maty teo anoloany, araka ny fitantarana olona sasantsany teny an-toerana hatrany. Tamin’izay indrindra no nanatona ireo olon-dratsy. Ny sasany niezaka namaha ilay fiara amboletra, ny hafa kosa nanambana basy ilay mpamily. Tamin’io fotoana io, izay rehetra nahatsikaritra ity tranga ity dia vaky nandositra avokoa, raha vao nahita ny vava-basy. Tsy fantatra mazava izay niseho avy eo, fa voavoha ihany ny varavaran’ny fiara. Samy niditra tao ireto mpitana basy ary lasa ilay fiara avy eo. Fanafihana fiara, sa fakana an-keriny ? Hatreto dia mbola mipetraka ho mistery ity zava-nitranga ity. Valalanina hatramin’ireo mpitandro filaminana mantsy, eny fa na dia eo ambony kelin’ity toerana aza ny kaomisaria. Sady tsy nandiso mantsy izy ireo no tsy nanamarina ihany koa ity tranga ity. Hany tenin’izy ireo, raha nanontaniana dia tsy mbola nisy olona tonga nitaraina ho niharan’ny fanafihana na nisy havan’olona nisy naka an-keriny tonga tao amin’izy ireo.
m.L