Niseho azy ho be sandry ity tovolahy iray niaraka tamin’ny olon-tiany raha nosakanan’ny polisy fa samy tsy nisy nanao aroloha izy roa.
Nosakanan’ny polisy nanao ny asany teo Andravoahangy ambony ireto olon-droa ireto ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny folo ora teo. Nodian’ilay tovolahy tsy hita anefa ilay polisy, ary ny lalany no nizorany. Voatazon’ilay polisy ny tanany iray raha izy nandeha iny ka saika nianjera. Tezitra ny anao lahy ka avy hatrany dia nisafoaka mafy ka ilay mpitandro filaminana indray no norahonany sy nanaovany teny mahery. Vetivevety dia nitangorona ny olona noho ny fihetsika mahery nataon’ity tovolahy ity, raikitra teo ny fifamaliana sy ompa isan-karazany. Ilay tovolahy amin’io tsy mitsahatra mamaly ary miezaka miantso amin’ny findainy. Etsy ankilany, ny polisy miezaka hitondra azy ao amin’ny boriborintany fahatelo. Niakatra ny mari-pana ka voatery namahana ny basy teny an-tanany ny polisy iray noho ny fihetsik’ity tovolahy ity hatrany.
Nanaraka ihany ranamana, saingy hevi-dratsy kay no tao anatiny, fa vao niala moramora teo amoron’arabe izy dia niezaka nitsoaka nandositra nanaraka ny arabe mizotra mankany Antaninandro iny. Ilay olon-tiany kosa amin’io efa nalefany mialoha. Raikitra ny fifanenjahana, tsy lasa lavitra akory izy dia voasamboatra, izy rahateo tsy afa nanao dingan-dava fa manao irony “jean slim” teritery irony ka tsy afa-nandeha hany ka mora foana ny nanenjika azy.
Mbola saika hamaly ihany ity tovolahy ity ka voatery nampiasa hery ny mpitandro filaminana iray nidaroka azy. Taorian’izay, nampakarina anaty fiaran’ny polisy ity tovolahy mahery fihetsika ity. Tsikaritra fa mbola be vava ihany izy na dia efa nisy rojo vy aza nitazona ny tanany roa.
Andry N.