Miseho amin’ny endrika isan-karazany tokoa ny fanendahana ataon’ireo totakely amin’izao. Teny amin’iny faritra Andravoahangy ambony, tsy lavitra ny toerana fanaovana mofo iray, dia roa lahy teo am-pakàna an-keriny volan’olona teny an-tanany no tra-tehaky ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ny herinandro lasa teo. Soa ihany, raha mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa lahy ireto, no avy hatrany dia niantso ny teny anivon’ny pôlisy ireo lasibatra ka noraisim-potsiny izy roa lahy ireto. Nentina avy hatrany nihazo ny birao moa taorian’izay mba hanaovana fanadihadiana.
Fa nitrangan’ny halatra ihany koa, tsy lavitra io toerana io, tamin’io fotoana io ihany. Rehefa avy nahavita ny asa ratsiny ilay totakely dia nitsoaka. Ny antsoantson’ny olona sy tabataba teny amin’ny manodidina no nanaitra ireo pôlisy sendra niasa tsy lavitra teo. Nandritra io fotoana io anefa no nahatsikaritra tovolahy iray nihazakazaka sy nampiahiahy ireto mpitandro filaminana ka nisambotra ity farany avy hatrany. Fantatra teo fa ity tovolahy ity ilay totakely avy nanao ny asa ratsiny tamin’io fotoana io. Nentina ihany koa natao famotorana tany amin’ny birao izy taorian’izay. Efa samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana avokoa moa izy telo lahy ireto, raha ny fampitam-baovao azo hatrany ary fantatra fa samy nadoboka am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
m.L