Nanao izay danin’ny kibony ireo mpanendaka tamin’iny oram-be nilatsaka teto Andrenivohitra iny, ny sabotsy lasa teo. Teny amin’iny faritra Andravoahangy ambony iny fotsiny, nanomboka tamin’ny ora nilatsahan’ny orana, ka hatramin’ny ora nisintonan’ny ranobe teny Besarety, teo ho eo amin’ny sivy ora alina teo, olona tsy latsaky ny enina no lasibatr’ireo olon-dratsy.
Taorian’ny fandraisan’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo andraikitra, ny amin’ny fanisiana mpitandro filaminana mitondra basy, niambina teo amin’ilay toerana nahafaty ilay mpanao gazety mpanao sary itatra, teo Andravoahangy ambony, ampitan-dRasalama, dia azo lazaina fa nilamindamin-dratsy teny an-toerana. Nony avy be iny anefa ny orana, ary voatery niala teo ireo mpitandro filaminana, nanararaotra toy ny banga nihomehy alina amin’izay ireo tontakely teny amin’iny faritra iny. Toy ny isan-taona amin’ny fiavian’ny orana mantsy, dobo rano iny lalana mizotra mankany Besarety iny. Marobe ihany anefa ireo olona no mody eny amin’iny faritra iny, ka tsy maintsy mandalo eo. Ny andro mihamaizina, ny orana mijojo, ary ny rano ihany koa manao ny ataony. Saika mbola tomefy olona sy fiara teny amin’iny faritra iny, hatramin’ny sivy ora alina tany ho any. Nifangaro tao anaty olona nisavoritaka tao ihany koa ry zalahy, ka izay mahazo dia lasa nitsoaka namonjy elanelan-trano. Hatramin’ny ora nijanonanay teny an-toerana, olona tsy latsaky ny enina no lasibatr’ireo mpanendaka. Misy ihany ireo vatan-dehilahy mponina eny an-toerana niezaka nanenjika ireto « mpisam » ireto, saingy raha tsy mitsoboka anaty rano izy ireo, dia nanjavona anatin’ny haizin’ny elanelan-trano, tsy hita atao ahoana.
Heverin’ireo fa tsara ary isaorana ireo mpitandro filaminana ny fandraisan’izy ireo andraikitra avy hatrany. Tamin’ny nametrahana olona teo amin’iny faritry Rasalama iny, izay marihina fa efa maro dia maro ihany ireo olona voa teo. Na izany na tsy izany aza, maro amin’ireo mponina no mihevitra fa tokony mba hanao fisafoana ihany izy ireo fa tsy hijajirika hiandry teo amin’io toerana iray io. Raha ny nambaran’ny sasany mantsy, rehefa hitan’ireo olon-dratsy fa eo ireo pôlisy, any amin’ny toeran-kafa indray izy ireo no mamely, toy iny lalana mankany Ampandrana iny, ny sampanana eo Besarety, na ilay lalana midina mankany Andravoahangy ambany iny.
m.L





