Tao anatin’ny fotoana fohy dia vita ilay asaratsy. Amin’ny andro antoandrobe nanahary, manodidina ny tamin’ny 11ora, no nitranga ny fanendahana. Raha tsy afa-nihetsika ilay kodiaran-droa noho ny fitohanana dia nisy lehilahy nanao sinto-mahery ny kitapo teny am-bozonan’ilay mpanamory. Tampoka loatra ny zava-niseho ary tsy afa-nihetsika koa aho. « Ny tao an-tsaiko dia raha hanenjika ilay olona aho dia mety ho efa nisy namany niandro koa teo amin’ny manodidina ka ny moto indray no lasany » raha ny fanazavan’ilay lehilahy voaendaka ny andron’ny farany taona teo. Vola mitentina 300.000ar sy solosaina Macbook Air no tao anatin’ilay kitapo. Nanao taratasy fanamarinana entana very izy teny amin’ny polisy. Avy eo nampandrenesina ireo orinasa sasany izay mpikirakira Macbook. Nisy vokany tokoa izany satria ny ampitson’iny dia nisy olona izay tonga tany ary nangataka ny hanokafana Macbook izay tsy voavaha satria tsy nananana ny « code ». Nohamarinina tsimoramora ary dia voaporofo tokoa fa ilay solosaina halatra tetsy Andravoahangy Ambony ilay fitaovana. Nosamborin’ny polisy avy hatrany ilay nitondra io entana io ary notazomina nanokafana fanadihadiana. Hatramin’ny omaly dia mbola nohidina tao amin’ny « violon » ary hadihadiana mba hahafantarana ny olona izay mety ho niray tsikombakomba taminy tamin’ny fahazoana io fitaovana io.
D.R





