Efa tsy ireo andian-tovolahy intsony indray amin’izao no ahiahiana eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny fa ireo … tovovavin’ny alina eny an-toerana. Efa maro tokoa mantsy ireo velon-taraina fa raha vao manomboka maizina fotsiny ny andro ka mihavitsy ny mpandeha dia miroso amin’ny asa fanendahana ny sasan-tsany amin’ireo tovovavy ireo. Manao andiany mihitsy izy ireo, ary tsy menatry ny mibata sy mitolona izay olona irery sendra mandalo eny amin’iny faritra iny. Toy ny fanaon’ireo andiana mpanendaka, dia entin’izy ireo any amin’izay toerana maizimaizina sy ireo elakelan-trano izay olona sendra mandeha irery. Toa zary tanteraka eto ilay tantara mahatsikaikina mpanakanto iray ny amin’ny hoe “miandry mpanolana”, saingy tsy ilay hanolana velivevy no tanjon’ireto mpivaro-tena eto aloha hatreto. Ny fanendahana anaty “chambre” moa dia efa betsaka ireo lasibatra, saingy tsy sahy mitory sy ny mitairana. Raha ny filazana tovolahy iray efa sendran’izany dia eo am-pakàna fahafinaretana aminy no manao ny asa ratsiny izy ireo. Ny tena mbola variana hoy ny fitantarany, ny any am-paosy rehetra anefa efa fongana. Fa misy ihany koa mody manjono fotsiny, raha ny fanazavana azo hatrany, kanefa any ambadika any efa misy andian’olona miandry fotsiny ireo izay manjifa azy. Ireto tovovavin’ny alina ireto no mandresy lahatra ireo mpanjifa haka “chambre” any amin’ny toerana misy azy, hoy indray ny fitantarana lehilahy iray. Toerana miditra elakelan-trano sy maizina tokoa ka rehefa ao aloha no sendra ny patsa iray tsy omby vava amin’izay. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Sao mihevitra hoe hikaroka fahafinaretana ny tanjona fa mety hanaraka hatramin’ny ain-dehibe mihitsy.
m.L