Nisoamaritaka ireo mpiantsena omaly teo Andravoahangy. Andian’olona maromaro no nampitahotra azy ireo tamin’ny basy teny an-tanany. Omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any no nisehoan’ity tranga ity teo am-povoan-tsenan’Andravoahangy. Andian’olona mitovitovy akanjo, toa ireny olona avy lavitra ireny izy ireto, ary mazàna dia misy toa an’izany foana no mivezivezy ao an-tsena. Tsy misy gaga amin’izany intsony moa ireo mpiantsena sy ireo mpivarotra, satria ny andro tsena, karazan’olona maromaro no mifanaretsaka ao amin’io toerana io, tsy anavahana intsony izay olon-dratsy. Tamin’io fotoana io dia somary nisy bandy kely nibahambahana ireto andian’olona ireto. Tsy fantatra izay tao an-dohan’izy ireo fa avy hatrany dia nampiaka-peo ny sasany, ny hafa kosa namoaka basy tany am-balahany. Raiki-tahotra izay nahita ary somary nihatakataka avokoa. Nisy sasantsany tamin’ireo nahita no saika hisambotra ireto andian’olona ireto. Saingy toy ny tsy teo kosa ireo andian’olona ireo dia nanjavona, nisarantsaraka, nafenin’ireo olona marobe tao an-tsena.
m.L