- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Bandy dimy lahy, mody mila vanina sy mila ady, avy eo...

Andravoahangy : Bandy dimy lahy, mody mila vanina sy mila ady, avy eo manendaka

Izy dimilahy voasambotry ny pôlisy.

Miseho amin’ny tranga isan-karazany mihitsy ny fomba fiadian’ireo tontakely, entina hanendahana ireo lasibatra, raha ny eto an-drenivohitra manokana. Fantatra fa eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny dia mody miaraka maromaro izy ireo. Saika ankizilahy kely, mbola tsy ampy taona eo no ankabeazany, miaraka maromaro izy ireo, mandona an’ilay olona, mody mila vaniny, mila ady mihitsy. Tsitapitapitr’izay akory dia mivadika ho fanendahana izany ary mitsoaka toy ny tsy teo izy ireo, rehefa mahavita ny asa ratsiny. Efa maro ireo lasibatra, raha ny fitairana azo avy amin’ny pôlisy misahana iny faritra iny. Etsy andanin’izay, tsy mitsahatra ny manatsara ny paikady entina miady amin’izany sy hifehezahana izany karazana fanendahana izany ihany kao anefa ireo mpitandro filaminana. Ny faran’ny herinandro teo, dia tra-tehaka teny an-toerana, tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo alina teo ireto andiana tovolahy mpanendaka ireto. Dimy lahy izy ireo no voasambotra tamin’io fotoana io. Ary ny atao hoe lehibeny dia voalaza fa efa mpanendaka sy mpanao sinto-mahery, raindahiny sy mampikaikaika ny mponina teny an-toerana. Efa diso fantatry ny mpitandro filaminana loatra ihany koa, satria dia efa mpamerin-keloka foana. Marihana fa mbola tsy ampy taona ihany koa izy io, satria dia vao 17 taona monja. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo moa ry zalahy ireto, hofotorana. Notanana natao andrimaso avy hatrany mialoha ny hanolorana azy eo anivon’ny Fampanoavana anio. Mba hiara-mientana amin’ity ady amin’ny tsy fandriampahalemana manjaka ity moa dia tsy mitsahatra manentana ireo mpitandro filaminana, mba hampilaza sy hitoroka avy hatrany any amin’izy ireo, raha misy tranga mpampiahiahy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici