- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy, Besarety : Mpanendaka 23 voasambotry ny pôlisy

Andravoahangy, Besarety : Mpanendaka 23 voasambotry ny pôlisy

Fety am-pilaminana, izay tanjon’ireo pôlisin’ny boriborintany fahatelo amin’ity volana desambra ity, raha ny fanazavana azo avy amin’ny Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity kaomisaria ity. Hatreto raha ny fantatra dia efa mpanendaka 23 no voasambotra, teny amin’ireo faritra mafana : Andravoahangy, Besarety, Ampasampito, Ambodivona, Ampandrana. Isan’ireo olon-dratsy rain-dahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery avokoa izy rehetra ireo, raha ny fanazavàna azo hatrany. Ny telo amin’ireo olon-dratsy tratra ireto no mpanafika olona amin’ny fitaovam-piadiana. Ireo sasany indray dia ireo mpanao sinto-mahery eny an-tsena sy anaty fitohanana. Faritra  efa malaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ireo voalaza ireo. Mbola mitohy hatrany araka izany ny hetsika ataon’ireo pôlisy, hanaovan’ireo sarambabem-bahoaka fety am-pahatoniana. Raha ny mikasika ireto tontakely ireto dia efa samy natolotra ny Fampanoavana avokoa izy rehetra ireo ary nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici