- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : « Dôkera » mpanendaka

Andravoahangy : « Dôkera » mpanendaka

Efa maro loatra ireo fitairanana ataon’ireo lasibatra eny amin’iny faritra Andravoahangy tsena iny, mahakasika ny fisian’ny sasantsany amin’ireo mpibata entana na dôkera, izay mivadika ho mpanendaka sy mpangaraom-paosy. Iray tamin’izy ireny no fantatra fa voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, nampian’ireo avy ao amin’ny BFP, ny omaly tokony tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Tra-tehaka teo am-panatanterahana ny asa ratsiny mihitsy ity farany, raha ny fampitam-baovao azo. Raha ny voalaza hatrany dia efa ela no nikarohan’ny pôlisy ity farany ary dia izao voasambotra izao ihany.

Fa amin’izay resaka ady amin’ny fanendahana izay hatrany dia mpanendaka rain-dahiny miisa efatra ihany koa no voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Isotry iny indray, ny faran’ny herinandro teo hatrany. Araka ny fanazavana azo dia anisan’ireo tontakely rain-dainy, hikoizana amin’ny fanendahana sy harom-paosy teny amin’iny faritra rond point Bmh Isotry sy eny Andavamamba ary ny manodidina iny ireto farany. Saika vokatry ny paik’ady, amin’ny fisian’ireo pôlisy manao fanamiana sivily napetraka sy manao fisafoana amin’ireo toerana efa malaza ratsy moa no nahazoana izany. Efa samy nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy avy moa ireto mpanendaka voasambotra ireto atao famotorana ary hatolotra ny Fampanoavana amin’ny fotoana mahamety izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici