- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Fatin-jaza tao anaty tatatra

Andravoahangy : Fatin-jaza tao anaty tatatra

Omaly maraina dia nitangorona ireo mpivarotra maro sy ireo mpiantsena teny Andravoahagy nahita fatin-jaza tao anaty tatatra teny amin’ilay lalan-drano faran’izay lehibe eny an-toerana. Samy nanana ny filazany ireo rehetra nahita izany. Fa ny nitambaran’ny rehetra dia ny hoe, zaza voa teraka izy io ary angamba tsy nirian’ny reniny na teraka tsy nampoizina ka raha vao latsaka dia nariana tao anaty tatatra tao. Resaky ny olona moa izany. Fa ny tena zava-nisy, gaga avokoa izay nahita ary samy nanamarika fa zary lasa fanaon’ny olona ny manary zaza ohatra an’izao eny rehetra eny, indrindra moa fa « ditra » sy tsy fandraisana andraikitra ny nahatonga izany. Maro moa ny resaka re teny an-toerana momba ity fahitana fatin-jaza ity. Toerana maro olona eny Andravoahangy satria ao avokoa no mihaona ny mpanjifa sy ny mpividy ireo entana vokatry ny tany avy amin’ny manodidina ny renivohitra rehefa maraina ny andro.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser