Fahantrana ve sa inona no mahatonga ny olona nahavita nanary zanaka toy izao ? . Tranga mampalahelo no niseho teny amin’iny faritra Andravoahangy iny , omaly vao maraina tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo. Araka ny loharanom-baovao voaray dia voalaza fa nahitana fatin-jazakely teny amin’iny toerana iny . Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa vantany vao teraka mihitsy ity zaza ity , dia izao nariana izao , Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay tena antony nanariana ity zaza , izay mbola tsy manan-tsiny fa dia izao hitan’ny fokonolona izao ny fatiny. Fomba feno habibiana tokoa ny nanariana ity zazakely ity raha ny fahitana azy.Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa tao ambany tetezana ,no nahitana ity fatin-jaza ity, izay voalaza fa tetezana fanariana maloto eny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Fofona izay tena efa maimbo no re teny an-toerana ka izay vao nisy nahatsikaritra fa fatin-jaza no natsentsina tao. Fantatra fa niaraka ireo karazana loto isan-karazany ity faty ity , tao ny « tavoahangy efa maloto , ny « sachet » , ny fako maro , sns…» ireo no niaraka nilevina an’ity zaza kely tsy manan-tsiny ity . Olona efa nitangorona no hita teny Andravoahangy nijery ity razana ity , ary maro ny olona no nanome tsiny mafy an’izay nahavita an’izao zavatra mampahonena izao . « Maninona raha nomena olona rehefa tsy vita fa tsy nariana » Hoy hatrany ny filazan’ireo olona nanatrika teny an-toerana. Nisy moa tamin’ireo olona nanatri-maso no nandray andraikitra avy hatrany mba nampan-dre ny teo anivon’ny manam-pahefana ny hanao ny fanadihadiana mikasika ity fanarian-jaza ity. Fantatra fa efa noraisin’ny teo anivon’ny BMH an-tanana ny fikarakarana ity razana ity , ny atoandro teo tokony ho tamin’ny 11 ora.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)



