Ny fo tokoa rano mafana ka mety hahavitana zavatra tsy am-piheverana ka hanenenana avy eo. Toy ny nitranga tetsy amin’ny tranombarotra iray, tetsy Ambodivona, ny harivan’ny talata lasa teo. Vola mitentina 50.000Ar no fototry ny fifandirana teo amin’ity tranombarotra ity sy ny mpanjifany, nefa dia nahavitana namotehana entana mitentina eo amin’ny 1 tapitra ariary mahery teo. Araka ny fantatra dia vola antoky ny entana nofaina io vola io, nefa rehefa tonga namerina ireo entana ireo ny mpanjifa, dia toa hoe nolavin’ity tranombarotra ity ny famerenena ilay vola. Noho ny antony iray, araka ny fanazavana azo, dia ny mbola fisiana vola hafa tokony haloan’io mpanjifa io. Raikitra teo ny gidragidra. Nentin’ny hatezerana ny ankilany ka nanao fihetsika tsy voahevitra, nanapotika sy nandravarana ireo entan’ny andaniny. Nampiantso mpitandro filaminana mihitsy ireto farany. Raha ny fantatra dia toa niravona ihany ity disadisa ity, rehefa nanaiky ny hanonitra ireo entana simba ireo nanapotika ary hanome ilay vola antoka kosa ilay tranombarotra.
m.L