Omaly alakamisy, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriboritany fahatelo teny Andravoahangy Ambony, ny lehilahy iray manao fisolokiana hafahafa eny an-dàlana. Manao solomaso ity olona ity, saingy efa tsy misy vera intsony ny ilany. Avy eo izay mifanena aminy ny olona, indrindra ireo variana eny an-dàlana eny, ary dominy mafy io olona io. Mipitika ilay solomaso ary avy hatrany dia mitabataba ny anao lahy. Dia tazonina eo io olona nodominy io ary lazainy fa namaky ny solomasony. Angalany vola avy eo ary tsy amelany raha tsy manome azy hanamboarana ilay solomaso. Omaly anefa, raha mbola variana nifamaly tamin’ilay olona izy, no tra-tehaky ny polisy nandalo. Nentina tany amin’ny birao natao fanadihadiana ary dia niaiky, hoy ny vaovao, fa fomba efa fanaony izao. Efa nisy ny olona voa ohatran’izao teny Andravoahangy tsena. Domin’ny mpisoloky mafy, dia alatsany amin’ny tany ny solomaso efa simba. Raofiny aloha ny potiny fa tsy miteny izy ary lasa mandeha. Avy eo, misy namany asainy miantso ilay olona nodominy, dia manaraka avy aoriana izy. Raikitra eo ny fangalana vola hanoloana ilay solomaso. Volana vitsy lasa izay, efa nisy olona mpanao ity asa maloto ity tratran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Fasan’ny Karana.
r.s.