- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Fito lahy mitam-piadiana, nanafika tokatrano roa

Andravoahangy : Fito lahy mitam-piadiana, nanafika tokatrano roa

Tokantrano roa no nasesin’ny jiolahy notafihana tao Andravoahangy ambony, ny faran’ny herinandro teo.Tao anatin’ny iray volana izao raha ny fitantaran’ny mponina, dia misy andian-jiolahy manao “opération vy” ka ireny vavahady vy matevina ireny no lasibatra. Saika efa tapitra nisy nangalatra avokoa ny vavahady vy eny amin’ny manodidina. Tokantrano iray no nisy nanafika ny alin’ny zoma lasa teo, tokony tamin’ny 12 ora alina, bandy fito lahy nanao amboletra niditra tao an-trano rehefa voavahan-dry zalahy ny varavarana fidirana. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia lelan’antsy lava no nandrahonana ny tompon’ny trano no sady nampandohalihana. Aiza ny vola hoy ireo jiolahy, no sady nanakorontana ny fanaka, tsy nisy afa tsy roa alina anefa tany amin’ilay tovolahy niandry trano, tsy tao an-tranony mantsy ny ray aman-dreniny tamin’io alina io. Rehefa tsy nahazo vola ireo jiolahy, dia ny vata fahita lavitra “écran plat” iray mora nobataina no noraofiny, niampy ny finday avo lenta iray. Taitra ny tao ambony rihan’ilay trano naheno ny korontana nisy, ka nandrehitra jiro, nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy raha vao nandre izany ary nifindra trano hafa indray.

Tsy nahavanona ny asa ratsiny anefa ireo jiolahy tamin’itsy farany, fa taitra mialoha ny tompon-trano raha nahare ny kotrokotroka ka niantso vonjy. Marihana fa isan’ireo lasibatra tamin’ny halatra vavahy vy ity tokatrano nisy nanafika ity vao herinandro lasa izay. Mitaraina ny mponina eny an-toerana amin’ny tsifandriampahalemana, fa saika ho isan-kalina dia ahenoana vaky trano foana etsy sy eroa.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser