
Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity lehilahy tokony ho 20 taona tany ho any, isan’ireo mpamaky fivarotana ao Andravoahangy Tsena. Ny alatsinainy teo izy no noraisim-potsiny raha teo am-pamakiana tsena iray, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisy, dia fivarotana enta-madinika no nataony lasibatra tamin’io fotoana io. « Novakiany ilay rindrin-kazo, ary nosokiriny ireo enta-madinika tao amin’ilay tsena » hoy ny fampitam-baovao. Ny tsy nampoizin’ingahirainy anefa, dia efa tsikaritry ny mpiambina ny asa ratsy nataony. Ity farany no niantso avy hatrany pôlisy raha vao nahita ny zava-nisy ka « noraisim-potsiny teo am-panaovany ny asa ratsiny izy ». Nentina avy hatrany natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy ity olon-dratsy ity. Marihana, hoy ny vaovao hatrany fa mbola tratra tany aminy ny entana maromaro nangalariny, toy ny zava-pisotro, sigara amina fonosana maromaro miampy enta-madinika isan-karazany. Izy rahateo kosa niaiky ny heloka vitany ary voalaza fa isan’ireo mpamaky tsena mampikaikaika ireo mpivarotra eny an-toerana ranamana. Efa naverina tamin’ny tompony avokoa moa ny entana.
nangonin’i m.L