Bandy teo amin’ny 10 teo, nitondra fitaovam-piadiana no tonga nandrava karaoke iray tetsy Andravoahangy, ny alarobia alina teo. Raha ny voalazan’ireo manodidina, dia tany ho any amin’ny 10 ora alina tany, no niseho ity fanakorontanana niampy sakoroka ity. Tsy nanam-po na inona na inona ireo olona tonga nirevy tao amin’ity karaoke iray ity, satria dia toa ireo mpanjifa rehetra ihany izy 10 lahy. Naka latabatra ary nikaomandy zavapisotro. Nony kelikely anefa, raha ny voalazan’ireo olona teny an-toerana hatrany, dia nakorontany amin’izay ny ambiansy tao amin’ity toeram-pialanavoly ity. Samy bandy avokoa anefa no tao anatin’ity toerana ity, ka nisy nitsangana nanohitra an-dry zalahy ireto. Tamin’izany fotoana izany anefa no avy hatrany dia namoaka basy ireo jiolahy. Voavelin’ny vodibasy ny iray tamin’ireo tovolahy nahasahy nanohitra azy ireo. Teo amin’ny handriny no nahavoa ity lehilahy ity ka torana tsy nahahetsika intsony izy fotoana vitsy. Nandritra izany fotoana izany no nanararaotan’ireo olon-dratsy nisavana sy nanendahana ireo mpirevy rehetra tao anatin’ity karaoke ity. Raha ny voalazan’ity lehilahy voa mafy teo amin’ny handriny ity dia vola aman’hetsiny no azon’ireo jiolahy tany aminy, niampy ny findainy. Ity farany izay nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana taorian’ny nanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny.
m.L