- Publicité -
dimanche, octobre 26, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Lahiantitra sy vaviantitra tratra nangalatra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Andravoahangy : Lahiantitra sy vaviantitra tratra nangalatra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Toa efa mazana  isaka ny alarobia no ahitana tranga toy izao eny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Ramatoa sy rangahy efa antitra manodidina ny 60 taona eo no tra-tehaka ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny ,omaly antoandro tokony hotamin’ny 11 ora teo. Ramatoa mpandidy poketran’olona amin’ny « lame », rangahy kosa mpangaro-paosy. Novonoin’ny olona avy hatrany izy ireto ary tsy nananan’ny olona antra na dia efa antitra aza. Vokatr’izany naratra mafy izy ireo ary namerina  ny fitenenana hoe «  izahay no mpangalatra teo Andravoahangy e », tsy vitan’izany fa nivoady teo imasom-bahoaka ny tsy hanao io asa io intsony. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa fanaon’izy ireo hatry ny ela io asa io saingy izay vao tratra. « Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra ireto zokiolona ».

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici