Iaraha-mahalala fa isan’ny tsenan’ny tantsaha goavana eto an-drenivohitra iny faritra Andravoahangy iny rehefa maraina ny andro. Amin’iny fotoana iny koa anefa no hanararaotan’ireo tontakely manao ny asa ratsiny. Saika lasibatra avokoa ireo mpiantsena maraina eny an-toerana ary efa maro tokoa ireo mitaraina vokatr’izany. Noho izay indrindra no nahatonga ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, hanisy hetsika manokana, izay efa nanomboka fotoana elaela ihany izay, entina hamongorana ireo tontakely ireo. Ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa mpanendaka sy mpangarom-paosy mahatratra 11 no voasambotr’ireo pôlisy teny amin’iny tsenan’Andravoahangy iny. Manomboka amin’ny 4 ora maraina ka hatamin’ny 9 ora eo ry zalahy ireo no mivoaka manao ny asa ratsiny. Andiany maromaro amin’io no miaraka ka ny sasany mody mandrebireby ary ny sasany kosa misintona na mandrahoana amin’ny fitaovam-piadiana. Eny amin’iny faritra manodidina an’Andravoahangy tsena iny no tena famelezan’izy ireo, toy ny eny Ambodivona sy Anjanahary ankoatra ny eo am-povoan-tsena. « Vao mangiran-dratsy dia efa nasiana polisy nanao fanamiana sivily nitily sy nanara-maso teny amin’ireo faritra voalaza ireo (Andravoahangy sy Mascar), ary dia nody ventiny tokoa ny rano nantsakaina » hoy ny fanazavàna azo. Araka ny tati-baovao hatrany dia saika tsy ampy taona avokoa ireo andian-jatovo mampikaikaika ireo mpiantsena sy mpivarotra maraina ireo. Raha ireto voasambotra ireto izao dia ny sivy amin’izy ireo dia mbola zatovo manodidina ny 15 sy 16 taona avokoa. Efa samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa izy 11 lahy ireo ka ireo tsy ampy taona dia nampidirina eny amin’ny akany fitaizana zaza maditra eny Anjanamasina, ireo ampy taona kosa dia nadoboka eny Antanimora.
m.L