- Publicité -
jeudi, décembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Lehilahy maty voahitsaky ny kamiô

Andravoahangy : Lehilahy maty voahitsaky ny kamiô

Nandriaka indray ny rà tetsy Andravoahangy ambany, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Lehilahy iray no namoy ny ainy teo ho no eo rehefa voahitsaky ny kamiô teny an-toerana. Potsitra sy potika tanteraka ny tapany ambany, izay voatetin’ny kodiaran’ilay fiarabe navesatry ny entana nentiny. Tsy nisy azo natao intsony taminy, eny fa dia niezaka namonjy ihany aza ireo nanatri-maso. Hatreto dia mifamahofaho be ihany ny antony nahatonga ny loza sy ny nahatonga ity lehilahy ity ho tany ambanin’ilay fiarabe. Voalazan’ireo nanatri-maso mantsy fa hoe saika hangalatra « charbon », entana izay nentin’ity fiarabe ity io olona voahitsaka io. Nihanika teny ambonin’ilay fiarabe izy ary saika hitsambikina niaraka tamin’ilay entana no voarain’ny kodiarana, ary io voahitsaka io. Loharanom-baovao hafa indray milaza fa karazan’ireo mpitaona entana, miandry ny fiavian’ireo fiarabe tonga alim-be eny an-toerana izy io no izao niharan-doza izao. Ny zavatra hita aloha, dia nisy gony « charbon » iray teo akaikiny, izay niara-voahosy taminy. Taorian’ny loza moa, dia tonga avy hatrany teny an-toerana nandamina ireo olona efa nanomboka nitangorona ireo mpitandro filaminana misahana iny toerana iny sy ireo pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana nanao ny fizahana ifotony. Ny razana kosa, dia efa nentina tany amin’ny tranom-paty. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici