Lehilahy iray, manodidina ny 30 taona no hitan’ny olona nivalampatra, nihoson-drà teo amoron-dalana teny amin’iny faritra Andravoahangy iny, ny alin’ny alarobia lasa teo. Efa tsy nisy aina intsony ity tovolahy ity ary tsindrona antsy nahazo teo amin’ny kibony no nahavoa azy. Nisy nanendaka sa nisy namono ? Raha ny fantatra dia mbola teny amin’ity olona hita faty ity avokoa ny zavatra mety ho nalain’ireo olon-dratsy, ka anisan’izany ny findainy. Tsy nahitana taratasy mety ho namantarana azy kosa tany aminy. Naterina avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana avy eo. Nanokatra ny fanadihadiana kosa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana.
m.L