- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Lehilahy roa sarona saika hanafika tobin-dasantsy

Andravoahangy : Lehilahy roa sarona saika hanafika tobin-dasantsy

Raha mbola teo am-panomanana tetika hanafihana toby fivarotan-dasantsy iray teny amin’iny faritra Andravoahangy ambony iny  ireto roalahy ireto no tra-tehaky ny pôlisy nanao fisafoana, avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, ny alahady lasa teo. Ny somary nahatsikaiky dia antsy lava sy basy … kilalao no teny an-tanan’izy roalahy, fitaovam-piadiana nokasain’izy ireo hanafihana io tobin-tsolika io.

Amin’izao fotoana izao dia misy ny hetsika ataon’ireo mpitandro filaminana entiana hiadiana amin’ity resaka tsy fandriam-pahelamana ity, indrindra fa izao ankatoky ny fifidianana izao. Amin’izay indrindra dia tsy mitsahatra manao fisafoana eran’ny tanana izy ireo, indrindra fa amin’ny andro alina. Tamin’io fotoana io indrindra « raha nandalo teo amin’ny totohatra midina mankao ambany tetezana ny polisy dia nahita roalahy nitampify tao amin’ny maizimaizina. Nosavaina avy hatrany moa ny kara-panondron’izy roalahy ireo saingy tsy nisy teny aminy ». Tsy vitan’izay anefa fa mbola nahitàna zava-maranitra sy kilalao tany aminy. Avy hatrany dia notanana sy nentina namonjy ny kaomisaria izy ireo mba hanaovana fanadihadiana. Tamin’izay indrindra no nahafantarana fa nikasa ny hanafika tobin-tsolika tsy lavitra teo izy roalahy ireto. Ambon’izay moa dia nisy môtô iray ihany koa nentina niaraka tamin’izy ireo, izay voalaza fa azy. Rehefa tena natao anefa ny famotorana dia fantatra fa kodiaran-droa vao avy nangalarin’izy ireo ny sabotsy lasa teo izy io. Fitaovana izay inoana fa noheverin’izy ireo hitsoahana raha tany ity ka tontosa ilay fanafihana noketrehana natao.

Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa izy roalahy ireo ary nadoboka am-ponja avy hatrany eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici