Trano hazo am-polony sy trano vato lehibe iray no lasa lavenona tao anatin’ny fotoana fohy teo Andravohangy Mascar omaly alina. Araka ny namabran’ireo nanatri-maso, tamin’ny 7 ora sy sasany no nanomboka ny afo tao amin’ny trano hazo iray. Vetivety foana dia nitatra izany ka tsy voafehin’ireo fokonolona intsony. Eny fa na ny mpamojy haitrano avy ao amin’ny lakazeran’ny “Pompiers” ao Andravoahangy, izay azo lazaina fa haingana ihany ny fahatongavan’izy ireo sy ny avy eny Tsaralàlana aza dia hita ho sahirana tokoa niatrika ity loza ity. Toy izany koa ireo mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitry ny fokontany izay niezaka namoaka ny olona sy ny entana izay voatsirambin’ny tanàna. Marihina fa hatramin’ny ora nanoratana izao vaovao izao, ora taty aoriana, dia mbola tsy maty ny afo. Noho izany, mbola tsy misy tarehimarika mazava mikasika ny isan’ny trano may. Raha ny filazan’ity tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fokontany ity dia ahiana ny mety hisian’ny aina nafoy. Nambarany fa misy ramatoa tsy hita nadritra ny famoahana ireo olona. Teo ihany koa ireo izay mbola nanda ny tsy hivoaka sy hamoha trano nefa ny afo efa nahery dia nahery.
T.M.