- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy Mascar : Mpanendaka roa lahy voasambotra nadoboka am-ponja

Andravoahangy Mascar : Mpanendaka roa lahy voasambotra nadoboka am-ponja

Eny Tsiafahy avy hatrany ! Roa lahy, raindahiny tanteraka tamin’ny resaka fanendahana no voasambotry ny pôlisy tetsy Andravoahangy Mascar, ny alahady  antoandro lasa teo.

Efa maro tokoa ny lasibatra ary tsy vitsy ireo mikaikaika ny amin’ny afitsok’ireo tontakely eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny. Antony hisian’ny fisafoana tsy tapaka ataon’ireo mpitandro filaminana misahana izany faritra izany, eny an-toerana. Tamin’io andron’ny alahady io mihitsy aza, raha mbola teo am-panaovana fisafoana ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo no tojo azy roa lahy ireto, izay vao avy nanao ny asa ratsiny mihitsy. Nampiahiahy tokoa ny fihetsik’izy ireo ka voatery nisava azy ireo pôlisy. Tamin’izay no nahitàna ireo finday miisa roa tany amin’izy ireo, izay tsy azy akory rehefa natao ny fanadihadiana tsotsotra. Nosamborina avy hatrany izy ireo ary nentina tany amin’ny kaomisaria ho amin’ny famotorana. Tonga nametraka fitoriana rahateo ireo tompon’ny finday. Ny alatsinain’iny ihany moa dia efa natolotra ny Fampanoavana ireto tontakely nikoizana ireto ary nalefa avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici