Mpamongady iray no norobain’ny jiolahy mitam-basy ny alin’ny zoma lasa teo. Vola 10 tapitrisa ariary no lasan’ireo tamin’izany. Tonga teny ihany ny mpitandro ny filaminana fa efa tafaporitsaka avokoa ireo tompon’antoka. Na izany aza anefa dia nisy olona telo nampiahiahy ka nosamborina nandritra ny fisafoana ny manodidina. Isan’ny nentina teny amin’ny biraon’ny pôlisy ihany koa ny mpiambina.
D.R