- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Mpanendaka noraisim-potsiny, vao avy nivoaka elakelan-trano

Andravoahangy : Mpanendaka noraisim-potsiny, vao avy nivoaka elakelan-trano

Nihevitra ny efa ho afa-doza ranamana raha avy nanao ny asa ratsiny taty Mascar, ka nihazo ny elakelan-trano avy any Andravoahangy hivoaka aty Anjanahary iny, kanjo, vao tafavoaka dia notsenain’ny pôlisy nanao fisafoana. Tranga niseho ny alahady hariva teo. “Tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitry ny Polisim-pirenena ao amin’ity faritra ity amin’ny fitandroana ny filaminana. Mitohy hatrany ny paikady amin’ny fanaraha-maso ny tanana ka nandritra ireo fisafoana”. Ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo moa no miandraikitra izany faritra izany, izay hiarahan’ny rehetra mahita tokoa fa tena manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fampandriana fahalemana ny faritra hiandraiketany, na dia azo lazaina fa saika ireo faritra mena sy mahamay no ao anatin’izany.

Tamin’io fotoana io, hoy hatrany loharam-baovao avy amin’ny pôlisy, dia tovovavy iray teny amin’iny faritra Mascar iny no nataon’ity mpanendaka, lehilahy 31 taona, nitondra faisana. Finday avo lentana iray no lasa tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany ho any. Vantany vao vita ny asa ratsiny dia nandositra toy ny tsy teo ny anao lahy ary nihazo elakelan-trano toy ny fomba fanao mahazatran’ireo olon-dratsy. Kanjo io mbola tsy afa-bela io fa noraisim-potsiny. Eny amin’iny faritra Ambohimahitsy eny ny lehilahy no mipetraka hoy ny vaovao, kanefa dia tonga eny Andravoahangy manao ny asa ratsiny. Nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny kaomisaria moa ity farany, hanaovana famotorana.

Fa ankoatr’ity mpanendaka voasambotry ny alahady dia fantatra ihany koa fa nisy mpidoroka rongony roalahy tra-tehaky ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, teny amin’iny faritra Andravoahangy iny ihany, omaly indray.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici