Tamin’ny fisafoana nataon’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-3 teny amin’ny faritr’Andravohangy tsena no nahasamborana mpanendaka iray sy mpivarotra rongony. Izao hetsika izao dia voalaza fa fomba entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana misy eny an-toerana, hatreny Ambodivoana. Saika isan’andro mantsy, araka ny vaovao hatrany, dia misy olona mitondra faisana hatrany amin’ny hafitsoky mpanendaka sy ny mpangarom-paoasy. Izany R. J. F., 36 taona, ilay nivarotra rongony ary mbola nahitana fonosana 20 tany aminy. Ilay mpanendaka kosa dia antsoina hoe R. C. 17 taona. Eo amin’ny tsenan’Andravoahangy no tena manao ny asa ratsiny ity tovolahy ity.
Nangonin’i r.s.