Toa zary lasa ambohipihaonan’ireo olon-dratsy isan-karazany, ao an-tsenan’Andravoahangy ao. Ny alarobia lasa teo, vehivavy iray no voaroba vola roa hetsy ariary eo ho eo, niaraka tamin’ny finday teny aminy. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso, dia roalahy mody nihaodihaody sy niara-nijery entana taminy, tao amin’ilay magazay ihany no nanendaka ity ramatoa ity. Nandrasan’izy ireo tsara hamoaka vola handoa vidin’entana io vehivavy io, no notselaran’izy roalahy ireto ny vola teny aminy, raha ny fanazavana azo. Nirifatra nitsoaka, toy ny tsy teo ireo olon-dratsy, raha vao nahazo izay nilainy . Nangaina tsy afa-nanao n’inona n’inona teo fotsiny ity ramatoa lasibatra tamin’izany. Fa mbola io alarobia io ihany, dia vehivavy iray ihany koa no voaendaka finday avo lenta, teny amin’iny faritra Tsaralalàna iny. Araka ny fantatra, dia nikitikitika finday teny ambony “taxibe” ity ramatoakely ity, kanefa nisokatra soa aman-tsara ny varavarankelin’ilay fiara notaingeniny. Toy ny tselatra no nangalan’ireo olon-dratsy ity finday raitra sandaina aman-tapitrisany maro ity. Nangenahena fotsiny ity tovovavy ity teo anatrehan’izany. Tokony ho mailo foana ny tsirairay amin’izao fotoana izao. Toa romotra ireo jiolahy ary miha mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana.
m.L