Lasa sakay sy maso ankehitriny ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpiasan’ny fivondronana (CUA).Omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no niseho ity tranga ity, teny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa naka ny entan’ireo mpivarotra amoron-dalana « matellas » ity mpiasan’ny fivondronana ity ka izay no nahatonga ny vahoakan’Andravoahangy niray hina namono sy nandaroka avy hatrany. Vokany: naratra mafy ity mpiasan’ny fivondronana ity. Araka ny nambaran’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto dia tsy hanaiky ny tsindry hazo lena intsony izy ireo fa hanohitra amin’izay manomboka izao. « Efa leo tanteraka izahay , aiza izahay no hitady vola hamelomanay ny vady aman-janakay ? hihetsika izahay», hoy hatrany ny fitantaran’ireto mpivarotra amoron-dalana . Vaky nandositra avy hatrany moa izy ireo rehefa nitambaran’ny fokonolona teo Andravoahangy.
FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)