Tovolahy iray 18 taona antsoina hoe Tojo no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-3 teny Andravoahangy ny sabotsy 19 may teo am-pangaronam-paosy. Ny marainan’io sabotsy ankatoky ny fety io, tamin’ny 6 ora maraina, dia tsikaritry ny polisy ity tovolahy ity nanara-dia tovovavy kely 13 taona mibaby kitapo niara-niantsena tamin’ny reniny. Raha mbola samy variana iny izy mianaka dia nobedain’i Tojo ny Kitapo teny amin’ilay zazavavy kely ary lasa izy nitsaoka . Taitra tamin’izany fihetsik’ity tovolahy ity izany ilay renim-pianakaviana ka niantso vonjy mafy . Nisy avy hatrany ny olona teny an-toerana nanenjika ity tovolahy ity raha vao nandre ny antso vonjy nataon’ilay ramatoa, saingy tsy lavitra teo ihany koa ny Polisy ka tsy nampanano sarotra ny nisamborana ity olon-dratsy ity. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahalalana fa mpibata entana eo an-tsena ny asany. Efa mpamerin-keloka ny tenany satria dia efa nifonja nandritra ny herintaona teny Antanimora izy ny taona 2017 noho ny resaka harom-paosy hatrany. Naverina any am-ponja avy hatrany i Tojo rehefa natolotra ny fampanoavana ny talata teo.
T.M.