- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Mpitondra sarety voafaokan’ny « taxi-be », tapaka ny tongony

Andravoahangy : Mpitondra sarety voafaokan’ny « taxi-be », tapaka ny tongony

Mbola nitrangana lozam-pifamoivoizana ihany koa tetsy Andravoahangy ambany omaly maraina. Lehilahy iray mpitondra sarety no torana tsy nahatsiaro tena rehefa avy nofaohin’ny “taxi-be” iray mpampiasa iny làlana iny. Omaly maraina manodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany eo no nitrangan’ny loza raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Raha ny fantatra dia andeha hitatitra entan’olona vao maraina io tovolahy io no voafaokan’ilay “taxi-be” avy any aoriany. Marihina fa nipitika lavitra mihitsy ity tovolahy ity, tokony teo amin’ny 5 metatra eo, vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy. Vokany : tapaka ny tongony havia ary mivonto be araka izany ny feny. Maratra daholo ihany koa ny vatany, kiakan’ny arabe. Tsy afa-nandeha  intsony ity farany noho ny fahavoazana nahazo azy fa ny olona nandalo sendra nahita ny zava-nitranga no nampiantso ny polisy izay nandrindra ny fifamoivoizana tsy lavitra teo. Ity farany no nandray an-tànana ny raharaha ary nanaraka ilay marary sy ilay mpamilin’ilay “taxi-be” hatreny amin’ny hopitaly.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici