- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Mpivady niala taxi voaendaka, lasa ny vola, finday ary «...

Andravoahangy : Mpivady niala taxi voaendaka, lasa ny vola, finday ary « tablette »

Tsy nirehitra ny jiro teny amin’ny lalana fa tapaka. Nanararaotra ny haizina ireo mpanendaka

Mpivady roa handeha hamonjy fodiana no voaendaka teo amin’ny amban’ny daba fanariam-pako, tao amin’ny Rasalama,  ny talata alina tokony ho tamin’ny 9 ora .
Vantany vao niala tamin’ny taksy nitondra azy izy roa kely dia nisy lehilahy iray nanatona avy hatrany. Poa tahaka izay, indreo nisy telo hafa nanatona ihany koa. Ilay taksy nitondra azy anefa efa namelona fiara indray ka lasa nitsoaka raha vao nahatazana ny fihetsik’ireto efa-dahy. Tsy afa-nitsoaka intsony izy roa kely ireto, fa voahodidina. Voalazan’ny  niharam-boina fa ny iray tamin’izy efa-dahy no nanambana tamin’ny antsy lava ary ny sasany kosa nandrahona sy nitaky izay rehetra teny an-tanany, toy ny poketra, finday, firavaka sns… Tsy nisy azo natao fa dia nanome  izay notakian’ireo jiolahy mpanendaka no natao , ny antsy lava mirangaranga rahateo. Nanampy trotraka ny hamaizinan’ny toerana sy ny lalana, voalaza mantsy fa tsy nandeha ny herinaratry ny jirama tamin’io fotoana io ka nanamora ny asa ratsin’ireo mpanendaka. Rehefa nahazo izay nilainy ry zalahy dia tsy taitra tsy rotitra akory namonjy elakelan-trano. Najifan’izy efa dahy avokoa ny teny an-tanan’izy roa kely ireto,  ankoatra ny vola sy ny poketra dia finday raitra telo sy tablette, hatramin’ny elo aza, nalain’ireo mpanendaka avokoa.
Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser