Minitra vitsivitsy ihany no nijanonan’ny jiolahy dia azony ny vola ary lasa nandeha an-tongotra izy ireo
Ny asabotsy maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany tany, nirefotra ny basy teny amin’ny faritr’Andravoahangy. Kiôska iray no lasibatry ny jiolahy roa voalaza fa samy nitondra basy. Tamin’io ora io, efa nisokatra ilay kiôska ary efa nisy mpanjifa tao anatiny. Araka ny fitantaran’ireo izay nahita, napoakan’ireo olon-dratsy ny basy talohan’ny nidirany tao anatin’ilay tsena. Rehefa izany, niditra izy ireo ary ny vola no notakiany. Tsy maintsy nomena azy ireo tamin’izay ny sakaosy iray nisy io vola io. Ny resaka fantatra dia toa samy manana ny filazany ireo mpiasa roa. Ny voalohany niteny fa eo amin’ny 10 tapitrisa ariary eo ny vola tao anaty sakaoasy. Ilay faharoa kosa nanambara fa mitentina hatrany amin’ny 75 tapitrisa ariary izany. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa tsy naharitra ela fa vetivety ihany no nangalan’ireo mpandroba io sakaosy dia lasa nandeha izy ireo. Nisy ny olona nahatsikaritra ny fisehoan-javatra ka nampandre ny mpitandro filaminana. Efa dila anefa ireo jiolahy ka ny hany natao dia ny nanaraka izay làlana tokony ho nalehany. Nisy ny nitondra fiara, nandeha an-tongotra koa ny sasany. Hatramin’izoa aloha, tsy mbola nisy ny voasambotra tamin’ity fandrobana ity.
r.s.