- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndravoahangy Rotsirotsy : Môtô latsaka tanaty lavaka feno rano maloto

Andravoahangy Rotsirotsy : Môtô latsaka tanaty lavaka feno rano maloto

Nihosona maloto, hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha ! Môtô iray no tratry ny tsy nampoizina ka nifatratra tao amin’ny iray tamin’ireo lavaka mangotanatana, feno rano maloto etsy amin’ny Rotsirotsy, Andravoahangy ambany. Lavaka ao anaty lalana mihitsy moa izy io, ka ho an’ireo tsy dia mahay azy tsara dia mifatratra soa aman-tsara, toy ity lehilahy mpitondra môtô omaly maraina ity. Raha tena nandeha mafy aloha dia mety ratsiratsy fiafara ihany, saingy soa ihany somary mora ny fandehany. Na izany na tsy izany aza anefa, mafimafy ihany ilay fifatrarany tao anaty lavaka ary nanaitra ireo mponina teny an-toerana. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia tsy naninona loatra ity mpitondra môtô ity, raha ny tety ivelany aloha. Saingy nihosona maloto tanteraka. Miangona ao anatin’ireo lavaka ireo daholo mantsy ireo rano maloto avy amin’ireo tokatrano maro eny amin’iny faritra iny. Nifanampiana avy hatrany ny nisintona azy sy ny môtô nentiny avy tao anatin’io lavaka io. Raha tsiahivina dia efa nisy tranga tahak’ity ihany koa, tamin’ilay lavaka tsy misy famantarana teo akaiky ny « rond-point », manoloana ny « Poste ». Efa maro no efa voa tamin’ireo lavaka ireo ary mbola maro no ho voa, raha tsy misy ny fepetra haingana, raisin’ireo tompon’andraikitry ny tanana, entina hanetsemana ireo lavaka. Na fara-faharatsiny fanasiana famantarana. Angamba tsy andrasana hisy zaza latsaka na famoizana aina sanatria vao hikoropaka. Zava-doza ho amin’ny mpampiasa lalana sy mponina mantsy ny fisian’ireo kilavadavaka eny amin’ny lalam-bahoaka ireny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici