Soa ihany, nanara-maso tsy lavitra teo ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, raha tsy izany dia voa roa ity mpamily taxibe iray, tratry ny lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny Rotsirotsy Andravoahangy ambany ity. Ny talata lasa teo tokoa mantsy dia nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’io toerana io. Fiara mpitatitra no lasibatra tao anatin’izany. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy nisy kosa ny fahasimban-javatra. Mazava ho azy, amin’ny tranga tahak’izany dia ireo mpamily niharan-doza no mifampiraharaha tsotra, tsy misy hidiran’ny mpitandro filaminana.
Tamin’io fotoana io anefa, raha mbola nisomebiseby tamin’izany fahavoazana nahazo azy ilay mpamilin’ny taxibe niharan-doza no nisy tontakely nanararaotra, mbola nanendaka ity farany. Tazan’ireo pôlisy mandamina ny fifamoivoizana tsy lavitra teo izany ary niditra an-tsehatra izy ireo. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana ary tsy lasa lavitra akory ny voasambotra ilehio. Nentina nofotorana avy hatrany ity farany ary niaiky tanteraka ny zavatra nataony. Omaly moa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izany tontakely, mpanararao-paty izany. Marihana fa mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny pôlisy eny an-toerana amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy eny amin’iny faritra iny, na dia eo tokoa aza ny zavatra mianjady eto an-drenivohitra.
m.L