Tovolahy am-polony no tra-tehakin’ny polisy teo am-pifohana rongony teny Andravoahangy ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Araka ny vaovao voaray dia nahazo filazana mikasika ireto mpifoka rongony ireto ny polisy ka nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny asany. Rehefa nanao ny fisavana ny polisy dia mbola nahitana fonosana rongony ihany koa tany amin’izy ireo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ireny mpibata entana ireny no asan’ireto tovolahy ireto. Niaiky izy ireo fa mifoka io zava-mahadomelina io. Avy hatrany dia nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ireto olona ireto natao famotorana. Omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana teny Anosy.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)