Tovolahy iray voalaza fa saika hamaky toeram-pivarotan’olona iray tao an-tsenan’Andravoahangy no natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy omaly, rehefa avy nohadihadiana tao amin’ny kaomisarian’ny filaminam-bahoaka, boriborintany fahatelo Antaninandro. Araka ny fanazavana, teo am-pamakiana io fivarotana io ity tovolahy ity ny alin’ny Alahady lasa teo no tsikaritr’ireo mpiambina eo amin’io tsena io. Nirotsaka nisambotra azy avy hatrany ireto farany ka tsy afaka nitsoaka intsony ity olon-dratsy. Taorian’izay dia natolotra ny polisy ity farany. Taorian’ny fihainoan’ny Fitsarana azy dia fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ity lehilahy ity. Voaporofo tamin’izao nahasamborana ity olon-dratsy ity izao, fa efa miroso tanteraka amin’ny maha matihanina ny fitandroana ny fandriampahalemana eo amin’ity tsena ity. Matotra ny fiaraha-miasan’ireto mpiambina ireto amin’ny mpitandro filaminana .
T.M.