Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady, fivarotana roa no fantatra fa nisy namaky teny amin’ny Tsenan’Andravoahangy. Tokony ho tany amin’ny 1 ora maraina tany ho any no niseho izany fandrobana izany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa tao amin’ny fivarotana iray, efa nivaha ny hidin-trano ary toa nisy ny zavatra lasan’ireo mpangalatra. Tao amin’ny toerana faharoa indray, potika ny varavarana vy, saingy voalaza fa tsy tafiditra ireo jiolahy. Tsy lavitra ny toerana fivarotan-kena no niseho izany. Vy moa no nokasaina hovakiana ka nisy ny korintsana henon’ny manodidina tamin’izany. Samy mailo ny rehetra amin’izao fotoana izao. Nisy ireo avy hatrany dia nampirehitra ny jiro tao aminy. Raha nahita izany ireo mpangalatra dia tsy sahy nijanona fa lasa nandeha.
Eo anatrehan’izao fandrobana izao, miombom-peo ireo mpivarotra fa hafahafa ihany ireo famakiana tsena roa ireo. Misy maro ny mpiambina izay miasa tsy mijanona eny an-toerana karamain’ny tompon’andrikitra. Ankoatra azy ireo, mbola misy olona hafa ihany koa andoavana vola manokana amin’ny fiambenana. Variana anefa ireo niharan’ny fandrobana tamin’izao fahavakisana izao. Mametraka fanontaniana izy ireo hoe : lasa taiza avokoa ireo mpiambina ireo tamin’ io alina io ?
nangonin’i r.s.