- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy Tsena : Mpivady tra-tehaka nitondra vola sandoka

Andravoahangy Tsena : Mpivady tra-tehaka nitondra vola sandoka

Teo am-pividianana zavatra mihitsy ireto olona roa, lehilahy sy vehivavy, hita fa vola sandoka no nentiny ary niantsoana pôlisy avy hatrany. Ny talata lasa teo, no nisehoan’izany tetsy Andravoahangy tsena.

Araka ny fitantaran’ny zokin’ity lehilahy ity, izay tonga taty aminay dia olona avy any ambanivohitra izy ireo, nitondra gisa sy vorona hamidy etsy amin’ny tsenan’Andravoahangy. Rehefa novelariny ny entam-barotra dia tonga ny mpividy. « Tamin’io fotoana io dia nisy lehilahy iray nanatona azy ireo ary nilaza fa haka an’ireo vorona sy akoho rehetra namidin’izy ireo » hoy ity solon-tenan’ny fianakaviana ity. Noraiketina avy hatrany moa ny varotra teo, fa tsy hoe vintana sendra nitsiky. « Ny tsy fantatr’ireto olona ireto anefa, izy ireo rahateo tambanivohitra, araka ny fitantaran’ity olona ity  dia hoe vola tsy izy fa sandoka no nentin’ilay lehilahy nividy ireto entana. Tsy tsikaritra anefa io raha tsy efa nividy entana hafa saika hatao ao an-tokantranony izy ireo ». Vilany no saika hovidiana tamin’io fotoana io ary ny mpivarotr’izany no nahatsikaritra ilay vola. Notazomina avy hatrany ireto mpivady ireto ary niantsona pôlisy. Nentin’ireto mpitandro filaminana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa ireto farany, nanaovana famotorana. « Somary nampiahiahy tanteraka ny fitantaran’izy ireo tsy mitovy nandritra ny famotorana. Saingy tsy anjaranay anefa ny mitsara na iza no diso na iza no marina. Ny asanay dia manao ny famotorana ary mandefa izany eny anivon’ny fitsaràna avy eo » hoy  ny lehiben’ity kaomisaria nitondrana azy ireo ity. Ny alarobia teo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ireto olona nahatrarana vola sandoka ireto. Araka ny fantatra hatrany dia nampidirina am-ponja vonjimaika ilay lehilahy. Anio kosa, raha tsy misy ny fiovana no hiatrika fitsarana izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici