Jiolahy mambotry jiolahy. Izay no azo amehezana ity tranga ity. Fikambanan’olon-dratsy izay misy lehilahy telo antsoina hoe Jean Marcel, Tovo, ary Zaka no tompon’antoka ao anatin’ny raharaha. Fantarin’izy ireo ny toerana rehetra misy ny fivarotan-drongony eto an-drenivohitra. Rehefa izany dia teteziny ary nangalany “écolage”, araka ny fiteny, raha tsy izany dia samborina. Eny Andravoahangy, ary tonga hatrany Tanjombato aza izy ireo, no manao ny asa fisolokiana. Ary misy manana karatra maha-pôlisy mihitsy, mazava ho azy fa karatra sandoka izany, amin’izy ireo. Karatra ofisie izay nampanamboarina teny ho eny, raha ny filazany, ka notaterin’ny pôlisy. Miverimberina eo amin’ireo toerana fivarotana rongony, toa ireny mpaka hetra ireny raha amin’ny varotra tsotra, ireo olon-dratsy. Fa ao anatin’io samy mpisoloky io dia mbola misy voasoloky ihany koa, satria nandray fa tena pôlisy (fa tsy sandoka) ilay voalaza ho ofisie. Io farany izany no mibaiko ary manome ny toromarika dia ireo roa ambiny manatontosa fotsiny. Dia avy amin’izay no hahazoan’ireo vola, izay 10.000 ariary ny kely indrindra ary 90.000 ariary no be indrindra. Voasambotra ihany ity andian-jiolahy ity rehefa nahazo vaovao ny pôlisy misahana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo.
D.R