Teratany vahiny iray indray no nisy nanendaka tao Andravoahangy Ambony ny faran’ny herinandro lasa teo.
Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, teo ambanin’ny lisea Fitarikandro, no nisehoan’ny fanendahana. Ankevitry ny efa narahin’ilay jiolahy ilay lehilahy teratany vahiny. Niditra tao amina mpivarotra iray ity farany nividy entana, variana nijery ny entana saika hovidiny izy no tamy avy any ity lehilahy iray mody nampiresaka azy. Poa tahaka izay anefa noraisiny ilay valizy kelin’ilay rangahy napetrany teo anilany ka nivoaka ny fivarotana izy. Segondra vitsy monja no nanatontosany izany, tsikaritr’ilay mpivarotra ihany ny fihetsiny saingy sady tsy nahateny izy no toran-kovitra. Vetivety dia tsy hita intsony ilay jiolahy fa nitsoaka nandositra, feno elakelan-trano rahateo iny toerana.
Velon-taraina ireo mponina manodidina noho ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana. Vao amin’ny 6 ora hariva, indrindra amin’izao ririna izao, dia tsy azo lalovana irery intsony ny lalan-kely fa feno mpanendaka mijorojoro.
Andry N.