Vehivavy iray no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha-6 Ambohimanarina tamin’ny alarobia faha-19 aogositra teo. Teny Andravoahangy tsena izy no nalain’ny mpitandro filaminana. Fantatra fa nampiasa taratasy hosoka nivarotany tanin’olona. Tany mirefy hatrany amin’ny 65 ara eny Ambohimanandray Ambohimanarina io namidiny io. Mahatratra hatrany amin’ny 160 000 000 ariary ny vidiny. Tany manan-tompo anefa io namidiny io ary manana ny taratasy ara-dàlana ny tompony. Tsy fantatra anefa fa dia nahavitan’ilay vehivavy taratasy afaka nivarotany azy io tany io. Nahatoky azy ny mpividy izay efa nahazoany vola 74 000 000 ariary. Voalazan’ny vaovao fa tamin’ny fotoana nisian’ny fitokonan’ny mpiasan’ny fananan-tany no natao ny fifampivarotana. Rehefa niverina niasa anefa ny mpiasa ka nanomboka nikarakara ny taratsy rehetra dia sarona ny zavatra nafenin’ilay mpivarotra. Hosoka avokoa ny taratasy rehetra. Omaly ny natolotra ny Fampanohavana ity mpisoloky ity.
nangonin’i r.s.