Hatairana ny an’ny rehetra raha nahita an’ity vehivavy iray, efa tsy nisy aina intsony, tetsy Ambodin’i Mascar Andravoahangy, omaly maraina. Olona mipetraka eny amin’iny faritra Ampandrana eny ity vehivavy, tokony ho telopolo taona. Ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany moa no nahafantarana fa mamo be izy io ny alina ary tafatory teo. Efa nampandrenesina mahakasika ity zava-nitranga ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary tonga naka ny razana teny an-toerana ny BMH ary nanatitra izany tany HJRA.
Tsy atao mahagaga tokoa fa rehefa fety toy izao dia tsy vitsy ireo olona no manao diso mamo loatra. Ary tsy ny lehilahy irery ihany fa ny vehivavy ihany koa. Raha tsy hiteny fotsiny tamin’iny harivan’ny 25 jona teo, teny amin’iny lalan’i Rocade vaovao, izay tena tomefy olona tokoa, dia saika vehivavy, tanora vehivavy, no hita mamo tampona sy bataina fotsiny eny an-dalana. Zava-doza tanteraka anefa izany, ambonin’ny tsy fahafantarana intsony izay zavatra hihatra amin’ny tena, ny fanendahana sy ny fanolanana, dia mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.
m.L