Ny sabotsy lasa teo no voasambotra i Zaka, fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo moa no nahafahana nanao ny fisamborana. Ny sabotsy 17 may teo teny Andravoahangy akaikin’ny rotsirotsy no nanendaka olona izy roalahy, izay saika hanatitra vola vao maraina tao amin’ny TELMA SHOP. Vola tao anaty sakaosy mitentina 11 tapitrisa ariary no najifa tamin’izany. Nametraka fitarainana tany amin’ny polisin’ny SHUT tetsy Tsaralalana ireo tradoza tamin’izany.
Olona tsara sitrapo no nanome ny fanamarihana fa efa mpanao asa ratsy eny amin’ny manodidina ireto jiolahy ireto, ary mihaodihaody eny amin’ny manodidina an’I Behoririka sy Andravoahangy iny. Nanamora ny fahafantarana ny endrik’izy ireo koa moa noho izy tsy nisaron-tava teo am-panaovana ny fanafihana. Teo akaikin’ny tobin-dasantsy teo Behoririka ary no voasambotra ity lehilahy ity ny sabotsy teo ka i Zaka no anarany ary 42 taona.
Tao aorian’ny famotorana natao azy dia nanaiky ny lehilahy fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana ilay olona hanatitra vola tetsy amin’ny TELMA Shop Andravoahangy, ary ihany koa tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny tobin-dasantsy tetsy Ambatomainty.
Efa ela moa no nitadiavana azy ireto fa izao izy tratra izao, ary fantatra ihany koa fa efa nigadra ity jiolahy ity. Natolotra ny fitsarana ny alarobia teo i Zaka
ALEM