Na iza na iza tokoa amin’izao dia samy tsy misy afaka eo anoloan’ity trangana tsy fandriam-pahelamana izay mihamahazo vahana ity. Ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo dia lasibatry ny jiolahy ny toeram-pisakafoanana iray malaza amin’ny laoka lohan-kisoa etsy Andravoahangy, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Lehilahy tokony ho 30 taona teo ho eo ny mpanafika tamin’io fotoana io, izay voalaza fa nitondra basy sy antsy. Voambana sy voarahona ny mpikirakira vola.
Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no nitranga izany araka ny tatitra hatrany. Rehefa nijerijery ny zava-nisy sy nitily lavidavitra ranamana tamin’io fotoana, dia tsikariny, hoy ny vaovao, fa tsy dia nisy olona intsony tamin’ilay toerana. Niroso avy hatrany izy tamin’ny asa ratsiny, rehefa avy nampiditra ny saron-tavany. Nanao amboletra niditra tao an-toerana izy, nanambana basy sy nanatona avy hatrany ilay « caissière ». Tamin’izay fotoana izay anefa no tsikaritry ny mpiasa iray tao an-toerana fa tsy basy tena izy akory no teny an-tanan-dranamana fa kilalao, sahy nanatona ity farany, narahan’ireo namany. Nitsoaka toy ny tsy teo ity mpanafika, rehefa nivadika ho ratsy ny tantana. Raikitra teo ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra akory dia voasambotra ity olon-dratsy ity. Vao voasambotra moa ity olon-dratsy nikasa hanafika ny look’s ity dia nantsoina avy hatrany ireo pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo. Tonga haingana teny an-toerana ireto farany ary nitondra an’ilay lehilahy natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy.
m.L