- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndrefan’Ambohijanahary : Kilan’ny afo ilay fivarotan’ny karàna

Andrefan’Ambohijanahary : Kilan’ny afo ilay fivarotan’ny karàna

Efa madivadiva ho hariva ny andro, omaly, ary efa nihidy ny toeram-pivarotana, no nisy naheno feo nirefotra mafy tao anatiny. Tao anatin’izay ihany koa no nanomboka ny firehetana, tao anatiny izay nanano sarotra ny fidirana an-tsehatra tamin’ny famonoana azy. Mpivarotra kojakoja maro ho an’ny birao ity niharan-doza ity ary sahirana ny mpamonjy voina tamin’ny fidirana tao anatiny noho izy efa nihidy. Efa ho folo minitra taty aoriana vao nanomboka nandefa ny rano tao anatiny izy ireo, satria voatery novakiana ny tafo ary teo no niditra. Potika tsy nisy azo noraisina intsony ny entana rehetra tao anatin’ilay toeram-pivarotana. Ny hany azo natao sisa omaly dia ny tsy nitaran’ny afo teo amin’ireo mpivarotra hafa teo amin’ny manodidina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici