Ny talata maraina no hitan’ny mpandalo ilay vatana mangatsiaka. Mbola teny aminy avokoa ny akanjony. Pataloha jeans ny ambany ary akanjo bà ny ambony. Tao anatiny indray dia akanjo ambony misy marika pôlisy. Nisy nivonto ny saokany ary raha ny fijerin’ny olona azy dia voadaroka izy. Tsy fantatra ny momba ilay lehilahy satria tsy nisy taratasy niaraka taminy. Naterina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana. Tonga tany an-toerana ny pôlisy nanao ny fanamarinana rehetra momba azy. Indrindra koa noho ny fahenoana fa nisy marika an’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity ny akanjo teny an-koditry ny maty. Tsy mbola fantatra mazava arak’izany ny momba ity olona ity ary manohy ny fanadihadiana ny pôlisy ny amin’ny mety ho antony nahafaty azy ary koa ny amin’ny fanamarinana raha tena olona eo anivon’izy ireo tokoa ity maty ity.
D.R